Choeuruni 2012 : Fanentanana Fisoratana anarana
Paris, 26 Desambra 2011
Ho an'ny Antoko Mpihira AMF,
Ho ampitomboina mandrakariva amintsika ny fahasoavan'i Jeso Kristy Lohan'ny Fiangonana,
"Hitahy anao [Aho] ary ho fitahiana tokoa ianao" Genesisy 12 : 2
Misokatra manomboka izao ka hatramin’ny 2 Avril 2012 ny fisoratana anarana amin’ny famonjena ny ChoeurUni 2012 izay hatao any Athis Mons ny faha 17 ka hatramin’ny 20 Mey 2012.
« Ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entinao miady » Ohabolana 20,18
Koa izany teny izany no entin’ny Birao AMF hanentanana antsika AMF isan’ambaratonga (faritany, tafo, fiaraha-mivavaka) mba hisotratra anarana mialoha araka izay azo atao mba hahamora ny fandaminana ary hanomezana fahafaham-po ny rehetra.
Asan’Andriamanitra moa ny asa fitoriana mandritra ny ChoeurUni ka noho izany dia ezahina mba ho lavorary araka izay azo atao.
Mba ho fampiharana izany sy noho ny antony ara-lojistika dia hatao ny Zoma 18 Mey 2012 ny famerenana farany (répétition générale) ao amin’ny toerana filasiana, Lycée Saint-Charles ao Athis-Mons, ary ho raiketina amin’io fotoana io ny toeran’ny choriste tsirairay mba hampirindra ny concert. Hisy numéro hozaraina mandritra izany.
Noho izany dia tsy hisy fisoratana anarana intsony ny asabotsy 19 Mai 2012 ho an’ny Choriste hihira satria efa voamarika ny zoma 18 Mey 2012 ny toeran’ny Choriste tsirairay hihira mandritra ny concert.
Ny biraon’ny AMF dia maneho ny fisaorana feno anareo amin’ny fiaraha-miasa ary manantena ny hitohizan’izany hatrany mba hahalavorary ny ChoeurUni ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
“Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao” Ohabolana 16,3
Aoka ary isika samy hitondra am-bavaka ny asa rehetra .
Ny Biraon'ny AMF
|
Francky Ramaroson Lili Rakotoarisoa Nadia Delmotte Vonjy Rakotobe Tojo Randrianaivojaona |
Mahary Ramasindraibe Rado Ramarotafika Andry Rabehasy Dina Ratsimbazafy |

